Toekarena

Minisitry ny fitantanam-bola « Omena foana ny karama na inona na inona miseho eto »


  • Zoma 20 Janoary 2023

Niditra an-tsehatra nandiso ary nampitandrina ny amin’ny ambarany fa fanelezana tsaho mahakasika ny karaman’ny mpiasam-panjakana ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola,

Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo omaly 19 janoary 2023. Nitsidika tampoka teny anivon’ny Paierie Générale Antaninarenina, izay mikirakira ny karaman’ny mpiasam-panjakana ity Minisitra ity omaly maraina, ary tao no nanao io fanambarana io. Fantatra ihany koa fa averina ho ferana ny fivezivezen’ny mpila raharaha ao an-toerana mba tsy hisian’ny mety ho endrika kolikoly sy mba hisian’ny filaminana amin’ny asa. Nambaran-dRtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo fa efa any anaty kaontin’ny mpiasam-panjakana avokoa ny karaman’ny mpiasam-panjakana, asa andavanandron’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola io. Nilaza ity Minisitra ity fa mihamaro sy miha mitombo ny mpanakorontana rehefa akaiky fifidianana tahaka izao. Tsy mampaninona izany, saingy rehefa mihoatra ny azo ekena dia mijoro ihany ny tena mitondra ny fanazavana. Mbola nampiany aza, hoe: “Efa nitantana an’ity firenena ity ny Filoha Rajoelina tamin’ny tetezamita, ary tamin’izany dia vitany soamantsara ny nandoa ny karama ka amin’izao indray ve izy vao hanao sangy ratsy sanatria” Sanatria ka sanatriavina izany, hoy izy, ary saropady ho amin’ny mpiasam-panjakana izany ka izay no mety mahatonga olona hiresaka azy. Nambara noho izany, fa lohalaharana foana ny karama ka tsy maintsy omena na inona na inona miseho eto amin’ny firenena. Nitaona ny Mpiasam-panjakana hilamin-tsaina araka izany ity minisitra ity. Nampitandrina fa aorian’izao fitondrana ny porofo izao ka raha mbola misy olona mitohy minia manakorontana, dia efa nomena toromarika n mpitandro ny filaminana handray ny andraikiny fa tsy hoe: isam-bolana dia handeha hitondra fanazavana foana izahay mahakasika ny karama, na isam-bolana dia hisy hanakorontana foana ny sain’ny mpiasam-panjakana amin’ny karama, hoy ity Minisitra.

TENA TSY MISY OLANA ARA-BOLA INTSONY IZANY
? Tsara ny mampahatsiahy, fa hatrany amin’ny volana desambra 2022 no efa nivoaka ny resaka ny ahiahy fa misy olana ara-bola be ny Fanjakana tamin’ny Fandoavana karama. Isan’ny niaingan’io ny tao amin’ny Antenimierandoholona, ny tao amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, voalaza fa isan’ny antony iray nahatonga ilay fitsipaham-pitokisana ny tombotsoa samihafa tsy voaloa. Nisy karama tamin’ny alalan’ny “bon du trésor” izay maro no nandika izany ho noho ny olana ara-bola. Tsy tena nisy solontenam-panjakana sahy nijoro nandamina ny saim-bahoaka. Somary nilamindamina ve izany ankehitriny dia manangam-bovona amin’izay? Milamina sy mivaha tanteraka ve izany ny olana ara-bola sa ny karama ihany? Ahoana ny tsy fandehanan-draharaha maro toy ny làlana tsy voakojakoja, ny tsy fahaloavana ara-potoana ny volan’ny mpandraharaha tamin’ny asa vaventy,… Raha ny tetezamita indray, manodidina ny 2 miliara dolara ny tahirin’ny vola vahiny navelan’ny Fanjakana Ravalomanana fa moa tsy fongana niala teo ny tetezamita? Moa tsy nalaina ny vola momba ny ady tamin’ny SIDA? Moa tsy nisy ny don-tandroka tamin’ny orinasa lehibe mpitrandraka harena an-kibon’ny tany? Moa tsy tamin’izany no tena nanjakan’ny trafika samihafa ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT