Toekarena

Minisitry ny fambolena “Ny digitalisation no hifehezana ny vokatra sy ny tahirim-bary”


  • Zoma 13 Novambra 2020

Miroso mankany amin’ilay antsoina hoe “digitalisation” ny ministeran’ny fambolena amin’izao fotoana izao, raha ny nambaran’ny Minisitra Lucien Ranarivelo.

 

 

 

Io no ahafahana manara-maso ny tahirim-bary, ny vokatra teo aloha eo anatrehan’ny fanafenana ny tahiry. Rehefa mametraka an’io karatry ny mpamokatra manara-penitra io, dia fantatra avokoa ny famokarana natao, ny olona, ny toerana. Misy fandaminana mila hapetraka ny fandrindrana io làlam-pihariana vary io eto amintsika mba ho tombotsoan’ny besinimaro, fa tsy hoe izay manam-bola sy mampiasa vola ao anatin’izany sehatra izany no mitazona ny tahiry sy manao izay hisian’ny fiakarana tsy ara-drariny ho an’ny vidim-bary amin’ny fotoana izay tsy tokony hanaovana izany. Misy fandaminana eo anivon’ny governemanta, eo anivon’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, minisiteran’ny varotra sy ny indostria, ministeran’ny toekarena sy ny vola,… ka efa mandamina an’izany isika izao, hoy ny minisitry ny fambolena. Io no ahafahana mamantatra hoe aiza no misy ny vary? Aiza ny tahiry? Amin’izao dia any amin’ny faritra saro-dalàna aloha no tena jerena, ary efa ho avy ny vary nafarana ahafahana mampidina na ahafahana mitazona ny vidim-bary ho takatry ny mpanjifa amin’ny fotoan-tsarotra, hoy ny minisitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT