Toekarena

Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy "Tsy maintsy hojerena ny olan’ireo orinasa"


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Nikarakara hetsika vonjy ranovaky ny Sendika Indostrialy Madagasikara (SIM) omaly. Teny Anosy tamin’ny alalan’ny fanampiana: vary, savony, sôkôla,…no nanaovana izany.

 

 

 

 

Nangataka fepetra mba tsy hisian’ny fandroahana na fanenana ny isan’ny mpiasa, na koa fikitihana ny zony. Tsy nisy fanampiana azon’ny mpiasa tao anatin’ny 45 andro, hoy Atoa Barison Rakotomanga Sekretera jeneralin’ny SIM. Mitaky izahay hoe omeo karama ny mpiasa, fa ny mpampiasa sy ny fanjakana no mifampiresaka any ambadika any, hoy izy. Tsy tokony ho tapahana ao anatin’ny “congé” ihany koa ny karama, hoy izy. Hanao fanadihadiana kosa ny Ofisy Iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT hahazoana ny antontan’isa mazava. Tsy azo hafenina fa tena miteraka fahavoazana amin’ny orinasa sy ny fandraharahana ny zava-misy, hoy kosa ny Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Gisèle Ranampy. Tsy maintsy hiroso amin’ny fanadihadiana sy ny tombana. Efa hita fa maro ny orinasa voatery niroso tamin’ny fiantohana teknika na manontolo. Tsy maintsy hisy ny fijerena ny vahaolana. Hisy ny dinika sosialy mba hiarovana ny mpiasa, hoy izy. Miandry an’izay ny rehetra!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT