Toekarena

Minisitra Lantosoa Rakomalala “Hovatsiana fitaovana ny orinasa madinika”


  • Talata 02 Febroary 2021

Nanambaran-dRtoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asatanana Rtoa

 

 

 

Lantosoa Rakomalala omaly nandritra ny fananganan-tsaina teo anivon’io Minisitera io ny fanombohana ara-pomba ofisialy ny fametrahana tsy ho ela ny "Plan Emergence Madagascar" izay hananan'ny Ministera anjara andraikitra goavana ao anatiny. Nohamafisiny araka izany fa tsy ho ela dia hanomboka ny famatsiana fampitaovana ireo orinasa madinika sy salantsalany ao anatin’ny fandaharan’asa ODOF. Nambarany ihany koa ny fotoana izay hanatontosan’ny fianakaviam-ben’ny MICA miaraka amin’ireo vondrona sy sehatra tsy miankina ny fambolen-kazo amin’ity taona 2021 ity. Nanentana ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka ihany koa Rtoa Minisitra ny amin’ny fitandremana sy fampiharana hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana ho fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, araka ny fampitam-baovao tao amin’ny pejy ofisialin’io Minisitera io.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT