Ny ampitson’ny nitsanganan’ny governemanta dia efa nanomboka ireo famindram-pahefana teo amin’ireo minisitra teo aloha sy ireo vaovao. Anisan’ny efa nahavita omaly ny tao amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana tetsy Ambohidahy, teo amin’ny minisitra teo aloha Chabani Nourdine sy ny vaovao Rtoa Yvette Sylla.
Tsiahivina fa ity minisitra vaovao ity no voalohany tamin’ny vondrona MAPAR nandray ny fahefana. Goavana ny asa miandry ny minisitera, saingy vita foana ny asa rehefa ao ny fahavononana sy ny fitiavana, hoy i Chabani Nourdine. Nandrangaranga ny tsy maintsy hametrahana ny fanjakana tsara tantana, ny mangarahara ary ny vokatra azo tsapain-tanana amin’ny asa atao. Nanao tatitra tamin’ny asa vitany ny minisitra teo aloha tahaka ny fametrahana sy fanatanterahana ny lalàna ny amin’ny fifaninanana izay notsiahiviny fa tena narahana an-tsakany sy an-davany tamin’ny fitantanany. Ankoatra izay ny momba ny varotra ivelany amin’ny vondrona eoropeanina dia miabo be tamin’ny taona 2017 satria niakatra 10-15 %. Tafakatra hatrany amin’ny 1,6 miliara euros ny fanondranana tamin’ny taon-dasa, hoy ny minisitra teo aloha. Misy ihany koa ny tetikasa hanampiana ny sehatra fanondranana izay mitentina 10 miliara euro mba ho fanatsarana hatrany ny sehatra fanondranana ny amin’ny samy firenena afrikanina. Nanamafy kosa ny minisitra vaovao, Ramatoa Yvette Sylla ny amin’ny ezaka fanohizana ny amin’ny asa efa natao ary hanao tatitra ny amin’ny tarehimarika marina eo anivon’ity minisitera ity. Tsy ho tompon-trano mihono ny Malagasy fa tsy maintsy ampahafantarina ny zava-misy marina sy ny tanjona hotratrarina, hoy izy. Asa mivaingana sy tanteraka avy amin`ny tsirairay no andrasana mba ahafahana mampandroso haingana ny minisitera izay azo lazaina fa tena fototr`ain`ny fandrosoan`ny firenena tokoa. Mialoha ny famindram-pahefana dia nisy fihaonana natao indrindra hifankalalana sy hametrahana ny sori-dalana entina manatanteraka ny asa izay nampandraiketina azy ireo. Hisy ihany koa, hoy ny minisitra Yvette Sylla ny fanatsarana ny fomba fiasa, indrindra ny fananan`ny tsirairay fanetren-tena hitondrana rivo-baovao satria finiavana no nahatonga azy hitantana ity minisitera ity.
Tsiry sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.