Toekarena

Minisiteran’ny varotra sy ny BNI Hiara-kiasa hitsinjo ireo mpiasam-panjakana


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Hiara-kiasa akaiky manomboka izao ny minisiteran’ny Varotra, tarihin’ny minisitra Chabani Nourdine sy ny banky BNI tarihin’ny tale jeneraliny Atoa Alexandre Mey.

Ho fanampiana ireo mpiasa miasa eo anivon’ity minisitera iray ity no tanjona amin’ny alalan’ireo karazana tolotra misy eo anivon’ny banky BNI. Lohalaharana amin’ireny ny fampindram-bola hahafahana manatanteraka ireo karazana tetikasa toy ny  asa fanamboaran-trano, ny fahafahana mitahiry vola ho an’ny ankizy, ny fividianana fanaka sy fiara…Raha araka ny fanazavan’ny Ministra Chabani Nourdine mantsy dia tokony hisy ny zavatra azo hianteherana rehefa tsy afa-miasa intsony ny mpiasam-panjakana iray amin’ny fotoana hisotroany ronono mba hiatrehany ny fahanterany  amim-pitoniana. Izany rahateo no antom-pisian’ny banky BNI hanampy sy hanohana ny mpanjifa izay efa manana masoivoho miisa 65 amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy hoy kosa ny tale jeneraliny.  Tsiahivina moa fa efa  naira-niasa akaiky tamin’ny banky BNI ny ministra Chabani Nourdine fony izy ny minisitry ny Indostria, ezaka izay mbola tohizany hatrany amin’izao maha minisitry ny varotra azy izao. Tontosa omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT