Toekarena

Minisiteran’ny varotra Manara-maso akaiky ireo entana lany daty


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Rehefa vanim-potoan’ny fety toy izao dia saika ireo entana miparitaka eny an-tsena sy amoron-dalana avokoa no mitana ny taha ambony

 

 

 

indrindra amin’ireo entana lany daty ireo kanefa mbola haranty ny vidiny mora mba hisarihana ireo mpiantsena. Efa misy kosa ny fametrahana rindrandamina, indrindra rehefa andro fety amin’ny fidiran’ny entana satria ny fanjifana dia miakatra bebe kokoa eny amin’ny tsena, hoy ny minisiteran’ny indostria sy ny mpivarotra ary ny asa tanana. Efa misy ny « task force » manara-maso ny fandrindrana ireo entana lany daty ary efa nanomboka tamin’ny volana janoary lasa teo ny ezaka. Hita tamin’izany ireo entana nodorana sy nosamborina. Manentana ny mpanjifa hatrany ny minisitra mba hanatona ireo « bureaux de doléances » eny amin’ny minisitera raha mahita tranga mampahiahy. Ny fiaraha-mientan’ny minisitera, ny mpanjifa ary ny mpandraharaha no hahafahana misoroka ireo entana lany andro eny an-tsena. Ho an’ireo mpivarotra kosa dia tsy maintsy arahi-maso ihany koa ireo daty sy fe-potoana azo hampiasana ireo entana amidy. Mila mailo ny mpividy hanamarina ny daty miraikitra amin’ireny entana ireny, indrindra ny sakafo.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT