Toekarena

Minisiteran’ny Indostria Hilofo hatrany hampandrosoana ny sehatra tsy miankina


  • Talata 30 Oktobra 2018

Ho fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina dia nisy omaly alatsinainy 29 oktobra ny fifanatonana sy fifampiresahan’ny fanjakana sy ny tsy miankina (dialogue publique-privé) tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy.

 

 

 

 Tanjona ny ahafahana manamafy sy mampandroso haingana ny fifandraisana sy ny fifaneraserana amin’ny sehatra tsy miankina izay ain’ny toekarena, hoy ny minisitra Guy Rivo. Tetsy an-daniny, maro ny zavatra nangatahan’ireo mpandraharaha tsy miankina ary anisan’ny nampitaraina azy ireo ny fahelana sy ny fahataran’ny fanatanterahana ny hetahetany amin’ny lafiny maro. Nambaran’ny minisitra fa  hojerena avokoa ny olana ary hosorohana izany ka ny minisitera mihitsy no hanolotra ny soso-kevitra fanatsarana miainga amin’ireo hetahetan’ny mpandraharaha ireo. Tsy maintsy hatao vaindohan-draharaha ny fampandrosoana ny fandraharahana noho izy manaiga haingana ny toekarena. Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity avokoa ireo mpisehatra amin’ny fandraharahana sy ny fampandrosoana orinasa tahaka ny Sendikan’ny Indostria Malagasy (SIM), ny FIVondronan’ny MPAndraharaha Malagasy (FIVMPAMA), ny Fikambanan’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) ary ny filankevitry ny fampandrosoana ny orinasa eto Madagasikara (EDBM). Manoloana ny fisian’ny fisamboaravoaran’ny fifidianana dia nanambara ny minisitra fa miasa foana ny mpandraharaha ary tsy tokony ho sakana mihitsy izany. Nambarany fa misy ireo ezaka azo atao haingana tahaka ny ady amin’ny kolikoly sy ny fiarovana hatrany ny tontolo iainana ary eo ihany koa ny ezaka mila fotoana lavalava fa ny fehiny dia tsy maintsy mandroso ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT