Toekarena

Minisiteran’ny Indostria Hamaha ny olan’ireo orinasa madinika


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Nanomboka omaly zoma 03 aogositra tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika fampirantiana orinasa madinika sy salantsalany. 2 andro ny hetsika ary hanome sehatra tanteraka ny tontolon’ny fandraharahana.

Ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina moa no miahy ity hetsika ity noho izy misahana ny fampandrosoana ny fandraharahana. Araka izany dia anjaran’izy ireo no mametraka ny tontolo ahafahan’ireo orinasa indrindra ireo orinasa kely vao manomboka sy teraka ireo (startups) hivoatra haingana sy hiteraka fampandrosoana ara-toekarena. Eo ihany koa ny famahana ny olana amin’ny lafiny hetra satria mitaraina ireo orinasa vao miainga ireo ny amin’ny fitakiana hetra sahady amin’izy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola hojerena ihany koa ny fanamorana ny paikady sy ny politika amin’ny famatsiam-bola hatao amin’izy ireo. Ankoatra izay moa dia nanambara ny tale jeneraly misahana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Ramatoa Raharinjatovo Noro Seheno fa miara-dalana amin’ity ezaka fampandrosoana ny orinasa madinika ity ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra. Mbola hitohy anio ny hetsika ary hisy ny fifaninanana karakarain’ny BNI Madagascar ho famolavolana tetikasa hananganana orinasa amin’ireo mpandraharaha tanora (startup TJE). Ao ihany koa ny torohevitra sy fanampiana amin’ny lafiny maro ireo tanora manana tetikasa mendrika ireo

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT