Toekarena

Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana Mitaky ny hialan’ny minisitra ny sendikan’ny mpiasa


  • Talata 19 Jona 2018

Raikitra ny fitokonana faobe eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana etsy Anosy.

Nanomboka omaly izany ary tsy hifarana raha tsy azon’ny sendika sy ireo mpiasa  ao aminy avokoa ny fitakiana nataony rehetra. Anisan’ny nahasorena ny sendikan’ny mpiasa ka nahatonga azy ireo ho tonga amin’izao fanapahan-kevitra izao ny fahafantarana fa olona efatra no nangatahin’izy ireo halana amin’ny asany saingy odiany tsy fantatra. Efa nanome 48 ora ny sendika sy ny mpiasa nanomboka ny alakamisy teo saingy tsy nahazo valiny mahafa-po izy ireo izay midika ho fanitsakitsahana ny zon’ny mpiasa ho an’ny sendika. Tsy hisy hiasa intsony ireo mpiasa ao. Handeha hanatevina ny tolom-bahoaka eny amin’ny kianja 13 mey izy ireo mandrapialan’ny minisitra Harison Edmond Randriarimanana eo amin’ny toerany sy ireo olona efatra efa nangatahin’izy ireo hatrany am-piandohana ny hialany izay marihina fa samy rantsamangaika eo anivon’ity minisitera ity avokoa.

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT