Toekarena

Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana Nitsidika tampoka an’Antsirabe


  • Zoma 31 Martsa 2017

Nitsidika tampoka ireo mpamongady vitsivitsy ao Antsirabe ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, Atoa Rakotomanga Soloalitiana omaly alakamisy 30 martsa.

 

 Ny vidim-bary no tena notsirihan’izy ireo nandritra ny fisafoana tampoka nataony. Tsy nisy ny olana tao Antsirabe satria efa nidina ambany dia ambany ny vidim-bary teny amin’ireo mpamongady notsidihina. Manodidina ny 1250 Ariary ny kilaon’ireo vary vao niakatra. Ny vidin’ireo vary avy any ivelany kosa tsy mbola nahitana fidinany, 1550 Ar ny kilao. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity moa fa anisan’ny mahatonga ny vidim-bary hidangana ny fandanian’ireo mpaninjara ireo vary efa novidiany tamin’ny masonkarena ambony. Mety hidina ihany ny vidim-bary any an-toerana satria miakatra ny vary vao.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT