Toekarena

Minisiteran’ny fanajariana ny tany Mizara titra sy kara-tany 15 000 isaky ny enim-bolana


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Natomboka tamin’ny fametrahana ny vato fehizoro tao amin’ny Epp Todivelona Raphael Ankirihiry Toamasina I ny fanombohan’ny fanamboarana ny efitranon-tsekoly hiarahana amin’ny fanjakana japoney amin’ny alalan’ny Jica.

  Ny minisitra Rafidimanana Narson misahana ny tetikasa ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana no nanao izany niaraka tamin’ireo ekipan’ny Jica. Miisa 16 ny efitranon-tsekoly hamboarina ao anatin’ny 13 volana izay hataon’ny orinasa Egeco – Ram nahazo ny tolo-bidy. Tsy ny eto amin’ny Cisco Toamasina I ihany no mahazo izao fanampiana avy amin’ny fanjakana japoney izao ho an’ny Dren atsinanana, fa anisan’ny hahazo izany koa ny Cisco ao Vatomandry sy Brickaville ary Toamasina II, tafiditra amin’ireo “Lots” efatra andiany voalohany ho fanatsarana ny fampianarana fototra ny zaza malagasy izao, izay ahitana afitranon-tsekoly miisa 75. An-kilan’izay dia asa niandry ny minisitra Rafidimanana Narson teto Toamasina ihany koa ny fanolorana ireo titra sy kara-tany ho an’ireo fianakaviana 120 tao Mangarano II tafiditra amin’ny tetikasa ODOC na “Opération Domaniale Concertée”, ao anatin’ny “Fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny, mba ho fisandratana mirindra” filamitry ny M2PATE. Nahazo tombontsoa tamin’izao hetsika itra sy kara-tany faobe voalohany teto Toamasina izao ny mpiasan’ny Tvm sy Rnm eto Toamasina araka ny ezaky ny taleny Rtoa Avizara Priscilla, satria tanin’ny minisiteran’ny serasera, “Station Relais Onde Moyenne”, ity nanaovana hetsika ity noho ny efa fahamaroan’ny mpaka tany an-keriny nameno ity tany ity. Andiany voalohany amin’ireo 258 hahazo ny tany ireto 120 voalohany ireto, mbola miandry ny fikarakarana manaraka indray izany ny ambiny. Hatao filamatra amin’ny fampanajana ny lalan’ny fandaminana ny tanana ity tany nozaraina ity, eo amin’ny fanajana ny lalana efa napetraka mialoha, ny fanajana ny faritra maitso sy ny kianja filalaovana, ary ny fametrahana ny trano hahorina, hoy ny minisitra Rafidimanana Narson. Hitohy ao Antsirabe amin’ny hetsika manaraka ny fizarana faobe titra sy kara-tany toy izao, ny tanjona rahateo ho an’ny M2PATE dia ny hahavita titra sy kara-tany 15.000 isaky ny enim-bolana.


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT