Nisanda 4 135,68Ar ny 1euro ny 4 mey 2020, niakatra ho 4275,52Ar ny 2 jolay, ary omaly 2 aogositra dia efa tafiakatra 4594,54Ar. Porofo io, fa nitotongana tanteraka ny sandam-bola sy ny toekarena Malagasy.
Ho mafy ny fanarenana ara-toekarena, raha variana loatra amin’ny fanampiana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fizarazaran-javatra, toa miendrika kajikajy politika ny fitondram-panjakana. Ilaina ireny fa tsy vahaolana maharitra. Vokatry tsy fihodinan'ny toekarena, fihenan’ny famokarana, fikatsoan’ny orinasa maro no anton’io. Efa loza mihantra ny fangatahan’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny FMI ny hamoahana 100% ny tokony ho anjara fanampiana FCR (Facilité de Crédit Rapide) araka ny fampitam-baovaon’io rafitra ara-bola iraisam-pirenena io ny 27 aogositra teo mba hanampiana ny “balance des paiements”. Tsy hahavaha olana ihany koa anefa ny fitrosana, indrindra fa mbola haompana any amin’ny sehatra tsy mamokatra.
NISY AKONY GOAVANA NY FIKATONAN’AMBATOVY
Mila mamokatra, mila miodina ny orinasa, ary mila manjifa ny vokatra ato anatiny, ary mila manondrana isika satria sarotra ho sarotra ny hividy ny filàna avy any ivelany. Mpiasa 9000 very asa nanomboka ny 6 aprily, ka ny 3500 no mpiasa mivantana, ary 5500 no mpiasa tsy mivantana, toy ny tantsaha. Ny taona 2018, ohatra, dia nitana ny 26% tamin’ny fanondranana entana nataon’i Madagasikara, ary nampiditra hetra 43,4 tapitrisa dolara tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ny orinasa Ambatovy. Lojika raha mitotongana ny sandam-bolantsika satria io no orinasa isan’ny lehibe indrindra mampiditra vola vahiny betsaka ho antsika. Ny 18 aogositra teo, nangataka tamin’ny Minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Rtoa Gisèle Ranampy ny mba hahafahana mamerina ireo mpiasa efa nalefa nody any ivelany sy hiodinan’ny orinasa Ambatovy ny Masoivoho Japoney Yoshihiro Higuchi, saingy tsy re ny tohiny hatreto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.