Mihatra manomboka anio ny haba 15% alain’ny amerikanina

Ny filohan’i Etazonia indray no mitsinjo ny malagasy


  • Alakamisy 07 Aogositra 2025

Mihatra manomboka anio 7 aogositra 2025 izany ilay fakàna haba 15%

amin’ny entana avy eto Madagasikara mankany Etazonia. Ity fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena amerikanina, Donald Trump, noraisiny ny fiandohan’ny volana aogositra ity, raha tsiahivina, dia fanintsiana ny fanapahan-kevitra noraisiny ny volana aprily, izay saika nakàna haba midangana 47%. Isan’ny famakafakàna nivoy nanoloana izany moa ny hoe eto Madagasikara izany, ny TVA na «Taxe sur les valeurs ajouté», izany hoe hetra alaina amin'ny zana-bola indramina any amin'ny banky dia mahatratra 20%, araka ny napetraky ny fitondrana Rajoelina. Na dia voalaza aza fa tsy voakasik’izany ireo olon-tsotra sy mpampanjana-bola madinika na «microfinance» dia mongo ao anatin’izay kosa izany ireo mpandraharaha izay sehatra tokony ho mpamoron’asa na mpanome asa ho an’ny vahoaka. Tsy nihena izany na dia nikaikaika aza ireo mpandraharaha madinika. Ny an'ny filoha amerikanina nefa haba 47% no nokasainy halaina amin’ireo entana avy eto Madagasikara, tsy nampihariny avy hatrany izany ary taorian’ireo fangatahana sy fitarainana samihafa dia nahenany ho 15% mihitsy aza. Ny filoham-pirenena amerikanina indray, noho izany, rehefa aravina ny zava-misy, no hita ho mitsinjo kokoa ny vahoaka malagasy noho ilay fitondràna mijoro eto amin’ny firenena. Tsy vitan’ny hoe mihatra manomboka anio ilay haba 15% tataovana amin'ny entana malagasy miditra any Etazonia fa mbola 0% koa no alainy amin’ny vokatra Lavanila, raha tsiahivina hatrany.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT