Mihamafy ny krizy ara-toekarena

Nitotongana 11,9% ny fanondranan'i Madagasikara


  • Talata 13 Mey 2025

Nihena 11,9 % ny fanondranana nataon'i Madagasikara tamin’ny telovolana voalohany

amin’ny taona 2025, araka ny tatitra ara-toekarena navoakan'ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM). Ny anton’ity fihenana ity dia mifandray indrindra amin’ny fihenan’ny fanondranana lavanila, jirofo, ary ireo vokatra avy amin’ny sehatra zone franche. Ho an'ny fidiram-bola avy amin’ny lavanila, nihena 45,3 % izany noho ny fihenan’ny habetsahan’ny fanondranana (−44,3 %) sy ny fidinan’ny vidiny (−1,8 %). Nampihena ny fangatahana filàna ara-bokatra vaovao ny fisian’ny tahiry lavanila manodidina ny 1 000 taonina any ivelany. Ny fanondranana jirofo kosa nihena 47,9 %, noho ny fihenan’ny vokatra (−50 %), na dia niakatra aza ny vidiny (+4,1 %). Noho ny toetr’andro no voalaza fa tena niteraka io fihenana io. Ny fanondranana avy amin’ny orinasa afaka haba na zone franche dia nihena 2,5 %, noho ny fihenan’ny famokarana (−5,2 %), na dia niakatra aza ny vidiny (+2,9 %). Io fihenana io dia mifandray amin’ny fitotongan’ny tinady eran-tany. Nomarihina kosa fa nitombo ny fanondranana nikela (+3,7 %) sy kobalta (+27,6 %), vokatry ny fitomboan’ny vokatra (+9,4 % sy +60,2 %), na dia nihena aza ny vidiny (−5,2 % sy −20,4 %). Mitohy miantraika amin’ny tsena ny fisian’ny famokarana be loatra maneran-tany. Na izany aza, ny paikadin’ny orinasa mpitrandraka dia ny manonitra izany amin’ny alalan’ny fitomboan’ny famokarana. Mila fandrindrana sy fanarenana ny sehatra fanondranana ataon'i Madagasikara manoloana ny fihenan'ny vokatra toy ny lavanila sy ny jirofo, izay voa mafy tamin’ny fitotongan'ny fangatahana sy ny toetr'andro, kanefa sehatra mampiasa olona an'aliny satria ny lavanila sy orinasa afak’haba ohatra dia mampiasa olona mivantana na ankolaka hatrany amin’ny 12000. Amin’ny lafiny iray, mbola misy fanantenana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ka ilaina ny fanamafisana ny famokarana sy ny fitantanana maharitra sy mahomby, mba te hisy tamberiny ho an'ny Firenena. Ilaina ihany koa amin'ny lafiny fanondranana ny mivelatra bebe kokoa sy mifehy ireo sehatra hafa toy ny jono, famokarana sy fanodinana ara-pambolena,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT