Toekarena

Miha manankarena hatrany i Chine Niakatra 6.8% ny harinkarena faobe


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Anisan’ny vaovao farany nanaitra ny firenena maro ny fiakaran’ny harinkaren’ny sinoa tamin’ny faran’ny herinandro teo. Mihoatra ny tanjona nandrasana tokoa mantsy ny zava-nitranga tany Chine.

 Ny fahamoran’ny fidirana amin’ny tontolon’ny asa sy ny fitomboan’ny Indostria mamokatra any an-toerana no antony nahatonga izany araka ny fanazavan’ny birao nasionalin’ny statistika (BNS). Nihena ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana tany an-toerana ka izany no nahatonga ity firenena ity ho nisongona mora foana ireo firenena mifaninana aminy tahaka ny Philippines sy Thailande ary afaka mifaninana tsara amin’ireo firenena matanjaka. Olana mianjady amin’ny firenena sinoa ny fahanteran’ny mponina satria tao anatin’ny 10 taona farany dia niezaka mafy niady amin’ny fitomboan’ny mponina ny governemanta sinoa. Na dia izany aza dia miakatra hatrany ny fanondranana entana avy any aminy ary tsy vitan’izay fa miezaka mampiasa vola aty amin’ny tany mahantra tahaka antsika mihitsy ny kely maso. Eo indrindra no tokony hitandremana satria efa miditra amin’ny sehatra maro izy ireo eto amintsika ary miezaka manararaotra satria mahafantatra ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitondra ankehitriny izay mora raviravizana amin’ny vola.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT