Toekarena

Miha mahantra hatrany i Madagasikara Mitotongana ny sandan’ny Ariary


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Nahatratra 3736,67 Ariary ny sandan’ny 1 euro teo anivon’ny Marché Interbancaire des Devises (MID) omaly alatsinainy 20 septambra. Midika io fa latsaka dia latsaka ny ariary raha mihoatra amin’ny vola euro izay anisan’ireo vola vahiny handrefesana ny ariary ao amin’ny MID miaraka amin’ny dolara Amerikanina.

 3 720 ariary ny 1 euro tamin’ny 17 novambra ary 3 690 ariary kosa tamin’ny 30 oktobra. Mibaribary ny fitotonganana. Tena marary ny vola Malagasy, izay midika fa marary ny toekarena satria maivana dia maivana ny fanondranan’i Madagasikara entana any ivelany raha toa ka mibosesika miditra eto kosa ny entana vahiny isan-tsokajiny. Manampy an’io dia mbola maro amin’ireo mpandraharaha Malagasy no tsy mitahiry ny volany eto Madagasikara fa apetrany any ivelany. Etsy an-kilan’izay, azo lazaina fa tena mbola maivana ny hadirin’ny famatsiam-bola avy any ivelany azon’ny firenena Malagasy na ilay tohana ho an’ny tetibola na ny bolongam-bola hiasana amina tetikasam-pampandrosoana goavana. Azo tarafina amin’ny fiainan’ny olona andavanandro ny fihazakazaky ny fahantrana eto, ary io no anisan’ny antony nanamboaran’ny fanjakana vola taratasy vaovao misanda 20 000 ariary nivoaka tamin’ny jolay 2017. Mazava be ny resaka fa mbola tena mitarazoka amin’i Madagasikara ny krizy, ary tsy mbola hita ny vahaolana mahomby hatramin’izao fa vahaolana maimaika hampitoniana ny mety ho fahatezerana na fikorontanan’ny olona fotsiny no atao aloha. Efa maro ny mpandraharaha velon-taraina amin’io fahalafosan’ny vola vahiny io satria lasa tahaka ny vola baoritra ny ariary Malagasy. Mitombo arak’izay ny masonkarena rehefa mividy entana avy any ivelany, ary miakatra ny vidin’ireo entana ireo rehefa tonga eny amin’ny tsena. I Madagasikara no firenena eto ambonin’ny tany tsy niady an-trano na niady tamina firenen-kafa kanefa niha nahantra hatrany tato anatin’ny 60 taona. Io no vokatry ny fikarohana nataon’ny manampahaizana tany ivelany. Mbola tafiditra ao anatin’ireo lohandohany ihany koa i Madagasikara amin’ireo firenena nahitana fihazakazahan’ny fahapotehan’ny tontolo iainana be indrindra tato anatin’ny 10 taona. Mitombo eto ny isan’ny adala sy tsy salama saina, mirongatra ny asan-jiolahy, mihazakazaka ny fanaovana kolikoly amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena. Mbola hanampy trotraka io fahantrana io ny fitotongan’ny sandan’ny ariary raha tsy ahitam-bahaolana mahomby haingana.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT