Toekarena

Midangana ny vidim-bary Tsy mahavaha olana ny mpitondra


  • Alatsinainy 20 Martsa 2017

Mampikaikaika ny rehetra ny fidangan’ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra fa ny vary amin’izao fotoana izao.

Tsy afaka namokatra ireo toerana mpamatsy vary an’i Madagasikara noho ny toetr’andro izay niaraha-nahalala. Tsy mahavaha olana anefa ny fanjakana fa toa zary miala andraikitra sy manipy baolina any amin’ireo mpandrahahara hatrany. Raha ny fanjakana no tokony hanafatra vary mivantana manoloana izao efa fahasahiranana mandifotr’olona izao, dia mbola ankinina amina mpandraharaha tsy miankina izany, ka misy ny manararao-paty, toy ny fahatrarana 200 taonina nasitrika tany Toamasina ny herinandro lasa teo. Tsy voafehy mihitsy ny fanaraha-maso ny tsena eto amintsika, ka anjakan’ny fanararaotana isan-karazany. Ny herinandro teo ihany dia efa nilaza ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana fa tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny vidin’entana intsony ny fahatapahan’ny lalana tany amin’ny lalam-pirenena isan-tsokajiny satria efa niverina amin’ny laoniny ny ankamaroany, ary efa niverina amin’ny laoniny avokoa ny famatsiana amin’ny ankapobeny. Tsy arakarak’izay anefa ny zava-misy fa vao mainka midangana ny vidim-bary izay efa mahatratra 540 ariary ny iray kapoaka ho an’ny eto Antananarivo raha manodidina ny 450 ariary izany tapa-bolana lasa izay. Efa tena tambajotrana “mafia” mpanararaotra mihitsy no ao ambadik’izao fanararaotana izao, raha ny fanamarihan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ka baiko tokana no misy dia miakatra avokoa ny vidiny. Toa tsy manam-bahaolana anefa ny fanjakana fa lany andro amin’ny kabary ambony latabatra matoa tsy mivaha ny olana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT