Toekarena

MICTSL Toamasina Tsy mbola mivaha ny olana


  • Sabotsy 07 Aprily 2018

Mbola olana hatrany ny famoahana entana ao amin’ny MICTSL Toamasina. Milaza ny handray andraikitra sy hijery akaiky ny raharaha ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitaterana kanefa tsy hita hatramin’izao.

 Raha tsiahivina, efa in-03 izy ireo no tao Toamasina kanefa tsy misy zavatra tapaka mihitsy. Fijaliana hatrany no iainan’ireo mpandraharaha sy mpitatitra ary ireo “transitaires” amin’ny famoahana entana eo anivon’ny orinasa MICTSL. Raha nilaza ny hanova fomba fiasa ny orinasa amin’ny fanafainganana ny famoahana ny entana ao aminy, dia tsy izay no zava-misy fa mbola adiny telo ihany ny kamiao iray maka kaontenera vao tafavoaka ao an-tokotaniny. Maherin’ny 100 isan’andro anefa ireo kamiao tafiditra eo anivon’ny seranan-tsambo milahatra kaontenera eo anivon’ny MICTSL. Ny tena olana ho an’ity orinasa ity dia ny tsy fisian’ny fampiasam-bola tamin’ny fanatsarana ny ara-pitaovana tao anatin’izay dimy taona izay, hany ka ny fitaovana mpamatsy entana ihany no manao ny asa mamoaka ny entana amin’ireo sambo tonga. Vokany, feno hatramin’ny 95% ankehitriny ny toerana fametrahana kaontenera eo anivon’ny seranana. Manginy fotsiny ny tsy fahampian’ny mpiasa manao ny asa sy ny fitiavam-bola be loatra ataon’izy ireo ka izay tia tolotolotra ihany no sahanina manokana. Milaza ny hanafatra fitaovana ny orinasa MICTSL taorian’ny fivoriamben’ny komitim-pitantanany, saingy any amin’ny volana desambra 2018 vao ho tonga, araka ny fanazavana azo. Raha mbola mitohy ny raharaha izay mahatonga ireo kamiao mitandahatra lavabe, dia hiverina indray ny fitokonana ka ho mafimafy noho ny nitranga teo aloha. Amin’izay fotoana izay dia hikatso tanteraka ny lalam-pirenena.

 

Rakoutou /Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT