Miary Rasolofoarijaona

«Mila tena malina amin’io 50 Ariary volamena io»


  • Alarobia 15 Mey 2024

Mila fantatra mazava ary "à jours" na mivoatra isan’andro ny isan’io vola volamena 50 Ariary

avoakan'ny Banky foibe io mba ho tena «comptabilisé» na voaisa araka ny tokony ho izy ilay izy, hoy ny mpanao gazety, mpamakafaka raharaham-pirenena, Miary Rasolofoarijaona. Sao mantsy io no lasa endriky ny famoahana ny volamena eto amintsika, hoy izy? Manan-kery maneran-tany izy ity. Ny mpanao hosoka eo foana raha te hamoaka volamena an-tsokosoko any ivelany. Nisy ny 20 ariary vita tao Ambatolampy. Efa mivoatra ny tekinolojia ankehitriny. Ahoana no tsy hahavitana lasitra anaovana 50 Ariary volamena? Tokony hivoaka isan'andro ao amin'ny tranokala na «site Banque Centrale de Madagascar» ny isan'ity volamena ity mivezivezy. Sao mantsy efa betsaka noho ny navoakan'ny Banky ny mivezivezy. Mila mailo ary mila tena malina amin’io 50 Ariary volamena io, hoy hatrany i Miary Rasolofoarijaona.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT