Toekarena

« Miarina by Fihariana » 10.970.300.000 Ariary ny vola navoaka


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Sivy herinandro eo izao no nametrahan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny tolotra «Miarina by Fihariana » , izay miendrika fampindramam-bola amin’ny tahan-janabola 8%.

 

 

Nitentina 10.970.300.000 Ariary ny fanohanana ara-bola navoaka tao anatin’izay fe-potoana izay. Orinasa miisa 228 no nisitraka izany, izay saika miompana amin’ny raharaham-barotra ny ankamaroany. Mielimpatrana amin’ny Faritra miisa 18 ny tetikasa nisitraka io tohana ara-bola io, ka ato amin’ny Faritra Analamanga ny 49,12% arahin’ny Faritra Atsinanana, Boeny ary Vakinankaratra ny ankamaroany. Faritra miisa efatra dia Anosy, Androy, Bongolava ary Ihorombe kosa hatreto no tsy mbola tongan’ity tolotra Miarina by Fihariana ity. Natao hamaliana ny fangatahan'ny sehatra tsy miankina fa indrindra hialana amin’ny fandefasana mpiasa maro be amin’ny fiatonana ara-teknika vokatry ny Covid 19 eo amin'ny toe-karena ity tetikasa ity. Marihina fa ireo orinasa madinika sy salantsalany na PMI, orinasa mitsangana ara-dalàna ary ireo mampidi-bola latsaky ny 5 miliara Ariary no afaka misitraka ny tolotra Miarina by Fihariana.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT