Toekarena

Miakatra indray ny vidim-bary 700 Ar ny iray kapoaka amin’ny makalioka


  • Alarobia 03 Janoary 2018

Na dia efa nisy aza ny ezaka nataon’ny Ministeran’ny Varotra tamin’ny fanafarana vary avy any ivelany mba hahafahana mampihena ny vidim-bary eto an-toerana, indrindra fa ny eto an-drenivohitra dia mbola tsy mitsaha-miakatra hatrany ny vidim-bary, indrindra fa ny vary zana-tany.

Lohalaharana amin’izany ary tena mampitaraina ny maro ny vary makalioka izay efa tafakatra 700 Ar ny iray kapoaka ankehitriny, 2.450 Ar ny iray kilao raha 122.500 Ar ny iray gony. Raha araka ny fanadihadiana natao dia vokatry ny tsy fahampian’ity karazam-bary iray ity miakatra eto an-drenivohitra no antony mampidangana ny vidiny noho ny haratsian’ny lalana ateraky ny rotsak’orana. Ho an’ireo karazam-bary hafa indray toy ny vary gasy dia 650 Ar ny iray kapoaka, , 630 Ar ny riz de luxe raha 600 Ar ny tsipala. Tsy misy intsony ny vary kapoakam-bary 500 Ar mihoatra ankoatra ny vary stock. Ho an’ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro moa dia ny siramamy no nahitana fiakarany kely ny vidiny nandritra ny faran’ny taona teo noho ny fanararaotan’ireo mpivarotra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT