Mbola marefo ny indostria eto

Hitondra tan-tsoroka ny ONUDI


  • Alarobia 21 Mey 2025

Niroso tamin’ny fifanaovana sonia fifanarahana fototra momba ny fiaraha-miasa

i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fampandrosoana ny Indostria (ONUDI) omaly talata 20 mey 2025. Ity fifanarahana ity no mametraka fototra ara-dalàna ho an’ny asa sy tetikasan’ny ONUDI eto amin’ny firenena, raha ny fanamarihana. Tanjona ny hanamafisana sy hanatsarana ny sehatry ny indostria, amin’ny fomba maharitra sy manam-paharetana, ary ahafahan’ny sokajin’olona rehetra mandray anjara. Tafiditra ao anatin’izany ny fananganana faritra manokana ho an’ny fampiasam-bola manerana ny faritra, ny fametrahana fotodrafitrasa kely momba ny angovo ho an’ireo Orinasa Madinika sy Antonony (PMU/PME), ary ny fanohanana ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny rojom-panodinana entana ara-indostria. Manamarika dingana lehibe ho an’ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara ity fifanarahana ity, hoy ny nambaran’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny ONUDI izany, sady mifanaraka amin’ny tanjona napetraky ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny Tanjona Fampandrosoana Maharitra (ODD). Tsara ny mampahatsiahy fa efa napetraky ny ONUDI ho firenena filamatra tamin’ny fampiroboroboana ny indostria isika taty amin’ny 2009, fa nisy ihany koa ilay resaka amboara nampiady hevitra ny taona 2022 izay nanolorana ny maha tompondakan’ny indostria an’i Andry Rajoelina kanefa na ny angovo hanodidina ny indostria aza tena nivadika zava-doza indrindra fa nanomboka tamin’ny tetezamita,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT