Toekarena

Mba hampidi-bola betsaka amin’ny Fanjakana Nafindra amin’ny CSBF ny resaka “Assurance”


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Nafindra any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) amin’ny alalan’ny

 

 

 

CSBF (Commission de la Supervision Bancaire et Financière) eo anivon’ny Banky Foiben’i BFM ny fitantanana sy ny andraikitra mikasika ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana niantsorohan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Izany no natao dia ny mba hanarahan’i Madagasikara ny fepetra takiana amin'ny fanaraha-maso mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena ka anolorana ny fanaraha-maso ireo sehatra ara-piahiana sy ara-piantohana ho eo ambanin’ny CSBF, hoy ny fanazavana ara-teknika. Mba hananana rafitra mahaleo tena ihany koa. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandrato sy ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Henri Rabarijohn, notronin’ireo ekipa teknisianina maro, mpisehatra ao anatin’ny fiantohana no nanao ny fifamindrana ara-pitantanana omaly 23 febroary. Nanazava ny Governora mahakasika ny zava-misy ao anatin’ny lalàna momba ny sehatry ny fiantohana. Taorian’izay ihany koa no nandraisan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fitenenana, ary mbola nohamafisiny tamin’izany fa tsy anjaran’ny eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana intsony manomboka izao no misahana ny fanaraha-maso ny sehatry ny fiantohana kanefa kosa misy ireo komity izay misahana izany mandritry ny famindram-pahefana eo amin’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Banky foiben’i Madagasikara. « Tanjona ny hampiakarana ny vola miditra ao anaty kitapom-bolam-panjakana. Tsy ny fiara ihany, ny fanaovan-trano, ny sekoly, fikarakarana sy fikojakojana fiarakodia, dia tokony hanao io antoka io rehefa mihatra sy manan-kery ny lalàna. Tsy maintsy misy fifampitaizana satria maro no tsy tena mahatakatra, ary toa lasa hoe ho an’ny zandary na ny polisy no ilàna ny fanamarinam-piantoana, kanefa ny resaka loza no tena antony », hoy ny Governoran’ny Banky Foibe Atoa Henri Rabarijohn.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT