Toekarena

Maty tanteraka ny Air Madagascar Ampifilafilain’ny olona amin’ny fiaramanidina


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Voalaza fa nalain’ny Frantsay ny fiaramanidina A330-200 an’ny Air Caraïbes saika hofain’ny Air Madagascar tokony hitondra ny Malagasy tavela any ivelany hody eto ho an’ny sidina voafaritra ny 25 aogositra

 (Paris-Antananarivo) sy ny 26 aogositra (Antananarivo-Paris), ka tsy maintsy miova fiaramanidina ahafahana mitatitra ireo mpandeha. Efa ny Caraïbes anefa no niantsoroka ny sidina voalohany nitondra ireo olona 159. Voatery manofa ny fiaramanidina Boeing 787-900 Dreamliner an’ny Air Europa indray noho izany ny Air Madagascar hiantsoroka ny sidina. Endrika maneho, fa tena hataon’ny olona amin’izay tiana hanaovana azy isika. Zary lasa anarana sisa tsy very sisa ny kaompania Malagasy izay isan’ny reharehan’ny firenena taloha, azo sokajiana ho manamarika ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena mihitsy izany kaompania an’habakabaka izany, saingy ny antsika tsy mba niroso fa nihemotra. Mindrana sy manofa sisa noho ny fitantanana tsy nanjary. Ireo fiaramanidina maty kapoka nampidirina tamin’ny tetezamita tsy hita popoka, ny fiaramanidina natao fitaovana politika namidy tsy hay hoe natao inona ny vola, ireo nofaina efa naverina amin’ny tompony,… Ny volana orinasam-panjakana iray efa natontona aho, saingy io sisa no niafarany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT