Toekarena

Masoivohon’ny CNaPS Nisokatra ny any Nosy Be Hell Ville


  • Talata 30 Mey 2017

Niampy iray ny rantsan’ny CNaPS any Nosy Be satria ankoatra ny masoivoho any Dzamanjary dia nisokatra ny faran’ny herinandro teo ny ao Hell Ville. Tafiditra amin’ny politika fanakaikezana ny vahoaka ataon’ny CNaPS ny nanokafana ny any amin’ny fokontany Camp Vert Hell Ville, 14km miala ny eo Djamanjary,

  izay manao ny asa rehetra, hoy Rtoa Tsaboto Joslina, mpandrindra nasionaly ny tendro sy ny masoivoho CNaPS. Zo fototra ary  tafiditra ao anatin’ny fanambarana maneran-tany momba ny zon’olombelona ny fiahiana ara-tsosialy. Mbola ambany anefa ny tahan’ny misitraka izany eto Madagasikara, indrindra fa ireo miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina na dia efa misy  aza ny CNaPS,  izay didin’ny lalàna fa misahana izany eto Madagasikara. Izany indrindra no antony nahatonga ny CNaPS nanentana ny mpitsara sy mpisolovava, ny mpitarika fikambanana, ny mpiasa sy mpampiasa, ny sendikalista, ary ny mpanao gazety hiara-misalahy amin’ny fampanjakana ny fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra eto Madagasikara, hoy Rakotondradano Hanitry ny Aina izay mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny CNaPS foibe. Nandritra ny roa andro dia nofanina momba ny CNaPS sy ny asany ary ny maha zava-dehibe amin’ny fananan’ny mpiasa ny zo ara-tsosialy sy ny adidin’ny mpampiasa izay tsy maintsy efaina izy ireo, ka nahatratra 166 ireo mpiofana. Fa nisy ihany koa ny tantsoroka sy tolo-kevitra nataon’ny ekipan’ny CNaPS tamin’ireo orinasa sasany nila izany. Tafatsangana any Nosy Be ihany koa ny “Club CNaPS Zandriolona” izay ao amin’ny Lycée Mixte no misy azy, ka mpianatra miisa 150 ao amin’ny kilasy faharoa no voahosotra ho “Club CNaPS Zandriolona”, ka miisa 5 ireo mpanabe mikarakara ireo ankizy ireo.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT