Toekarena

Maro ireo sambo tsy te ho ao oamasina Tandindonin-doza ny famatsiana entana


  • Alarobia 04 Mey 2022

Ahiana hitombo ary hahery vaika hatrany ny olana amin’ny famatsiana entana ho an’i Madagasikara. Manomboka maro ireo mpandraharaha mitaraina, ary maneho fa tsy te hiazo an’i Toamasina ireo sambo.

Antony ny tsy fanajana ny hoe: izay tonga voalohany no raisina an-tànana voalohany, fa tsy maintsy miandry ireo sambo sasany mety maherin’ny iray volana vao tafiditra ao amin’ny “quai”, izany hoe mandeha ny kinamanamana, ka ny entan’izay akamakama ao anaty fitondrana no lohalaharana, fa ny hafa miandry, hoy ny fanamarihan’ny mpandraharaha sasany. Noho io toe-javatra io, tsy te ho aty Madagasikara ireo “armateurs” izay mitondra sy mitatitra ary miantoka ny famatsiana entana satria ny fotoana lany eo am-piandrasana dia midika vola mivoaka, manodidina ny 200 tapitrisa Ar isan’andro eo ny sandan’ny fihitsohan’ny sambo. Misy mpamatsy lafarinina avy any Inde, dia milaza amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy eto mihitsy fa tsy te ho ao Toamasina ny sambo mpitatitra ny entany noho izay toe-javatra izay, raha mamonjy ny seranantsambo hafa, mbola misy tsentsina. Misy sambo mitondra lafarinina, ohatra, mihaodihaody efa roa herinandro fa tsy tafiditra ao amin’ny seranantsambo. Firenena isan’ny tena mbola miankin-doha amin’ny fanafarana entana isika, ary ny fisian’ny olana tahaka izao, dia vao mainka manampy trotraka ny fidangan’ny vidin’entana satria mitombo ny mason-karena. Ao anatin’ny efa fahasahiranana mbola ahiana ho mandeha ihany ny karazana fanararaotana sy kinamanamana. Mila tena mametraka politikam-pamokarana eto an-toerana ihany koa isika mba hialana amin’ny fanafarana lava, ka tsy hijanona ho resaka ambony latabatra hatrany ilay hoe: ny entana sy filàna, dia ezahina hovokarina eto izay azo vokarina, fa izay tsy azo ihodivirana ihany no hafarana.
Toky R
( Sary fanehoana)
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT