Toekarena

Mari-pamantarana ny lavanila Malagasy Haorina ao Antalaha ny « World vanilla complex »


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Renivohitra manerantany ny lavanila i Antalaha, Faritra SAVA. Haorina ao ny « World vanilla complex » izay ivon-toerana iray lehibe mari-pamantarana ny

 

 

lavanila mampalaza an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Ao amin’ny tokontany malalaky ny Travaux ao Antalaha no hanorenana azy. Tonga nijery ny toerana hanorenana izany Tranobe izany ny Minisitra ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa-tanana Rakotomalala Lantosoa sy ny Minisitra lefitra misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Trano fonenana Zasy Angelo izay namita iraka tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Nihaona tamin'ireo mpandraharaha lavanila ireto mpikambana ao amin’ny governemanta ireto. Fantatra nandritra izay fa hisokatra amin'ny 15 Septambra 2020 ho avy izao ny tsenam-barotra iraisam-pirenena mahakasika ny lavanila ary 650.000Ar no « prix de référence » ho an'ny lavanila efa vonona ahondrana. Hivoaka amin'ity erinandro ity ny lisitr'ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana sy nahafeno fepetra mikasika ny asa fanondranana lavanila.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT