Toekarena

“Marché O Soldes” andiany voalohany Hotanterahina ny 23,24 ary ny 25 martsa izao


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Hampiantrano hetsika ara-barotra goavana isika eto an-drenivohitra ny 23,24 ary 25 martsa ho avy izao. “Marché O Soldes” no anarana nampitondraina izany karakarain’ny B-COM &C. Eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka hanatontosana azy io ahitana mpandray anjara hatrany amin’ny 200 isa.

 

 Hampiavaka ny hetsika , hoy Rtoa Andriamalala, tompon’andraikitry ny serasera ny fisiana fihenam-bidy amin’ireo karazan’entana rehetra hatrany amin’ny 75 %  raha manomboka amin’ny 5 % izany . Tanjona amin’ity hetsika ity  ny hahafahana mampifaly ny rehetra mialoha ny hankalazana ny fetin’ny Paska amin’ny fiandohan’ny volana aprily ho avy izao. Karazan’entana maro no ho hita mandritra izany. Ankoatra ireo kojakojan-tokantrano toy ny salon complet dia ho hita mandritra izany ihany koa ny akanjo, ny kilalao, ny sakafo,  ny finday izay marihina fa ahitana ireo karazany hiaka farany avokoa. Tsy hanavahana na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe. Manodidina ny 2.000 isa any ho any moa ireo mpitsidika andrasan’ny mpikarakara mandritra izany ka ho an’ireo maniry ny hivarotra eny an-toerana dia mbola azo hatao tsara ny manatona ny Immeuble Seimad 67 ha Porte  C 1309 na azo hatao tsara ihany koa ny miantso ny laharam-pinday 034 46 491 01. 2.000 Ar ny vidim-pidirana misy ny toerana hahafahan’ny misakafo atoandro sy mampialavoly ny ankizy. Arahina lalao tombola mety hahazoana loka marobe ity hetsika ity.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT