Toekarena

“Marché Interbancaire des Devises » Misy tombony ara-toekarena ny fanafoanana azy


  • Talata 22 Mey 2018

Ny Banky Foibe no mpandrindra sy mpanara-maso ny fifampivarotana rehetra rehefa avy mifantina ireo banky tsotra (primaire) hisehatra amin’ny Marché Interbancaire des Devises (MID) izy.

Rehefa izay dia mila manatona ireo banky tsotra ireo ny mpandraharaha hanafatra na hanondrana entana. Iaraha-mahalala anefa fa betsaka hatrany ny fanafarana entana noho ny fanondranana eto Madagasikara. Araka izany, mihena ny tahirim-bola vahiny ao amin’ny banky iray rehefa manao fanafarana satria vola vahiny no aloa amin’ny fividianana an’ilay entana avy any ivelany. Noho ny fahabetsahan’ny mpandraharaha Malagasy manafatra entana noho ny manondrana dia mitombo hatrany ny filana ny vola vahiny. Vokany, lasa lafo vidy hatrany ary mihem-bidy kosa ny sandan’ny vola Malagasy. Ankoatr’izay, miaka-bidy manaraka an’ilay vola vahiny ny entana hafarana avy any ivelany tahaka ny solika ary miteraka fiakaran’ny vidin’entana eto an-toerana. Araka izany, ny MID no mamaritra ny fiovaovan’ny sandan’ny Ariary ankehitriny. Fantatra ihany koa anefa fa ny banky ihany no mahazo tombontsoa amin’io satria maka tombony izy amin’ny fivarotany ny vola vahiny ao aminy ary mametra kosa rehefa hividy amin’ny olona tsotra na mpandraharaha iray. Ireto farany no mizaka ny mety ho fatiantoka na ny fiakaran’ny vidin’entana aterany. Nanomboka tamin’ny fanaovana ny MID dia lasa banky vahiny avokoa no miasa eto Madagasikara. Ny fanafoanana io sehatra io anefa dia mampihena ny vola avoaka any ivelany sy ahafahana mifehy ny fiovaovan’ny vidin’entana.ary indrindra hampiakatra hatrany ny fanondranana eto Madagasikara.

 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT