Toekarena

Maorisy-Madagasikara Hifampizara traikefa amin`ny ladoany Malagasy


  • Talata 07 Aogositra 2018

Tonga nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny praiminisitra Ntsay Christian, ny Ambasadaoron’i Maorisy eto Madagasikara, Sem Goburdhun Datakarran, omaly tetsy amin`ny lapan`i Mahazoarivo.

Vonona ny hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Malagasy ny tenany, izay mifantoka teo amin’ny ara-koltoraly sy ara-ekonomika. Mikasika ny fifanarahana eo amin’ny asa dia hisy ny fifampizarana traikefa eo amin’ny tompon’andraikitry ny ladoany Malagasy sy ny avy atsy amin’ny nosy maorisy, indrindra manoloana ny fisian’ny fanondranana an-tsokosoko. Navoitran’i Goburdhun Datakarran ihany koa fa efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa voasonia ka eo amin’ny lafiny ara-barotra dia fifanarahana ho amin’ny fanatsarana ny  kalitao amin’ny ankapobeny; hamafisina bebe kokoa ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny fanafarana entana, ary hohatsaraina ny vokatra eo amin’ny firenena roa tonta.  Eo amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-koltoraly indray, dia nohamoraina ny fifampizarana traikefa eo amin’ny mpanakanto Malagasy sy ny avy any Maorisy ary maniry ao anatin’izany ihany koa ny fampiroboroboana ny fizahantany eto Madakasikara.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT