Toekarena

Mangarahara momba ny tetibolam-panjakana Tena mbola ratsy ny naoty azon’i Madagasikara


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Mirafitra 2 ny antenimiera eto Madagasikara dia ny antenimierandoholona sy antenimieram-pirenena, hoy ireo fiarahamonim-pirenena. Mifidy sy tokony hanara-maso ny tetibola fidiany izy ireo.

 

 Manaraka izay ny rafitra fitsarana na “cours des comptes”. Ny vokatra azo tamin’ny fanadihadiana natao na IBO 2019 dia nahazo naoty 40/100 i Madagasikara mikasika ny tondro voalohany momba ny fangaraharahana na fisokafan’ny tetibola, tsy mbola misokatra araka ny tokony ho izy ireo antontan-kevitra amin’ny fandrafetana ny tetibola eto Madagasikara raha araka ny fanadihadiana natao.Tokony ho 61/100 ny naoty hahafahana milaza fa mangarahara ny fomba fiasa momba ny fandrafetana sy fampahafantarana ny tetibolam-panjakana.. 6/100 kosa ny naoty momba ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana amin’ny famolavolana sy fanatanterahana ny tetibola. 35/100 ilay fanaraha-maso ny fanataterahana ny tetibola sy ny fanjohiana izany. Raha ny momba ilay fampandraisana anjara anefa dia fara fahakeliny tokony hahazo 40/100 ny firenena iray vao azo lazaina hoe manome sehatra ny vahoaka amin’izany. Misy ezaka be mbola tokony ataontsika ary tondro iray ahafahana mandrefy ny fifampatokisana eo amin’ny vahoaka sy entina io, hoy hatrany ny fanazavana. Tondro ampiasain’ireo mpiara-miombon’antoka ahafahany miara-miasa amina firenena iray koa io, hoy izy ireo, izay nivory tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina omaly.

J. Mirija

Legende: Tetsy amin’ny Le Pave omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT