Toekarena

Mangarahara amin’ny fitantanam-bola Raikitra ny fiofanana any Mahajanga


  • Alakamisy 05 Aogositra 2021

Ho fampiharana ny mangarahara eo amin’ny lafiny fitantanam-bola eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena,

indrindra fa ho an’ny ratsamangaika eny ifotony toy ny fari-piadidiam-pampianarana, ny ZAP sy ireo sekoly dia nanatanteraka fampiofanana mahakasika ny fanaraha-mason’ny fitantanam-bola sy ny fitantanan-draharaha ankapobeny ny teo anivon’ny « Unité de Contrôle et d’Audit » nanomboka ny alatsinainy 0 2 aogositra lasa teo. Tanjona amin’ity atrik’asa ity ny hanamafisana ny rafitra sy ny fahaiza-manaon’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny « Bureau de Contrôle Administratif et Financier (BCAF) » izay navadika ho « Division en charge du Contrôle, de l’Audit Interne et de l’Inspection Administrative et Financière » araka ny rafitra vaovaon’ny ministera. Ny vokatra andrasana aorian’ity atrik’asa ity dia ny hitomboan’ny asa fanaraha-maso misimisy kokoa momba ny fitantanan-draharaha rehetra eny ifotony indrindra fa ny fitantanam-bola eny anivon’ireo rantsamangaikan’ny ministera (fari-piadidiam-pampianarana, ZAP,Sekoly). Santatra ihany ity atrik’asa fampiofanana ao Mahajanga ity fa mbola hitarina manerana ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra izany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT