Toekarena

Mandindona ny krizy ara-bola Mihazakazaka mitotongana ny Ariary


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Tamin’ny fiafaran’ny fijerena ny taha-bola na ilay antsoina hoe « Marché interbancaire des devises » omaly no nahafantarana fa mihazakazaka mitotongana ny vola malagasy.

 

 

Mitentina 4.482,09 ariary hatry ny omaly ny 1 Euro. Rehefa natao araka izany ny kajy dia very lanja 38,55 ny vola Malagasy tao anatin’ny herinandro monja. Andrasana hatrany, araka izany, ny fanapahan-kevitry ny eo anivon’ny fitondram-panjakana mikasika ity fahafahana manome lanja ny vola Malagasy ity. Misy amin’ireo mpahay toekarena sasany moa no manome soso-kevitra fa fotoana tokony hanafoanana ity atao hoe MID ity izao fotoana izao raha tiana ny hamonjy ny toekarena Malagasy sy ny sosialim-bahoaka ary izay sandam-bola miha mitotongana izay. Misy koa anefa no mampitandrina fa ho zava-doza ny fanaovana izany, ka vao miha hamparefo ny toekarena tahaka ny nitranga tany Venezuela sy Zimbabwe.Ny fanomezan-danja ny fanjifana ato anatiny no anisan’ny vahaolana faran’izay haingana raha ny hevitry ny mpahay toekarena Hugues Rajaoson mandra-piandry ny fiverenan’ny fanondranana etana, izay tsy maintsy ezahana ampitomboina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT