Ialahy lesy ry Jean Eric mba jerijereo ihany ny lalana eto an-drenivohitra fa tsy hoe tsy tian’lisany ny ben’ny tanàna dia ny vahoaka no ampijaliana ah !Marina fa hoe tsy nifidy anareo ny vahoaka tamin’ny fifidiana ary mbola mety tsy hifidy anareo ihany koa amin’ity ho avy ity fa na izany nefa dia adidinareo feno ny mikarakara azy sy manompo azy fa mpiasam-bahoaka ianareo.
Potika daholo ny lalana manerana ny renivohitra sy ny manodidina. Manomboka aty Ambatoroka ka hatreny Ankorondrano mandalo Analakely sy Ambohijatovo ary Anosy. Mipaka any 67ha sy Anosizato. Tsy misy maha renivohitra azy intsony e. Potika ny fiara, mandany vola be ny rehetra noho ny fitohanana etsy sy eroa, nefa dia mazava fa anjarantsika tsirairay avy no mampihena ireo fandaniana amin’ny entana afarana mba hampihenana ity sandam-bola vahiny ity. Sa ve tsy hainareo izany ry Jean Eric ? Mandray anjara mavitrika anie ianareo amin’ny fampahantrana ny Malagasy noho ny fahasimban’ny lalana e ! Raha tsy hiteny afa tsy ny eo Anosizao eo amin’ny tetezana sy ny manodidina fotsiny aho. Angamba mety vitan’ny 200 tapitrisa ariary any ho any io dia afaka daholo ny amboteiazy mampikaikaika ny olona amin’iny faritra iny. Dia hiteny ianareo hoe tsy misy vola nefa tsy ampy lasantsinareo enim-bolana anie izany e! Vakio fotsiny ny tetibolanareo tamin’ny 2017 sy ity 2018 dia hita ao fa miliara maromaro no laninareo amin’ny fampandehanan-draharaha. Izany hoe ny taratasy, ny fahana amin’ny finday sy ny solika.Fanahy iniana ve sa tsy fahaiza-mitantana izy ity ry Jean Eric ah? Sa izaho no diso fa mba efa misy tetiandro mandehandeha any ? Enga anie ka ho diso aho. Enga anie ka aloka sendra nandalo ka nandavaka lalana tsy satry. Fa raha izao mantsy no mitohy dia minoa ahy ianareo fa dia mety tsy ahazo 10% akory amin’ny vaton’Antananarivo amin’ny fifidianana ho avy.Tsy manahy anie na ho ataonareo fanararaotana amin’ny propagandy ary ilay izy e, fa mba teny iray fotsiny no ataoko ho anao hoe « ATAOVY ».Miala tsiny ry Jean Eric fa tezitra ny tenako manoratra izao taratatsy izao ho anao satria tena tsy mahatsapa mihitsy ianareo hoe mampijaly ny vahoaka sy ny firenena anie ity lalana simba ity. Dia mba ampitao any amin’i Ra Jean Forsa any fa tsy ny famaizana an’Antananarivo anie no hampitombo ny isam-batonareo e ! Mandrapihaona indray ary.
Marco
![]()
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.