Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpahay toekarena Malagasy manoloana ny fahasahiram-bahoaka.
Notohanan’ny CREM (Cercle de Réflexion des Economistes de Madagascar) tamin’ny tarehimarika vitsivitsy nefa mafonja io fahantrana lalim-paka iainan’ny mponina eto Madagasikara io. Mandifotra ny 83%-n’ny Malagasy ankehitriny ny tsy fahampiana raha 73% izany 10 taona lasa. Ho 0,2%-n’ny mponina rahateo sisa no afaka hiaina ara-dalàna afaka 10 taona raha izao zava-misy izao no mitohy, hoy ity fikambanana mpandinika ny toekarena eto Madagasikara ity. Tranga mampalahelo niteraka fatiantoka goavana eo amin’ny 21 hatramin’ny 35 miliara dolara. Tandra vadin-koditra eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy hatrizay moa ny fanomezana vahana ny kolikoly, ny kinamanamana sy kitranoantrano, ny fanondranana an-tsokosoko na koa ny famotsiambola teo amin’ireo mpitantana ny firenena, hoy ny mpikambana ao amin’ny Crem Hugues Rajaonson. Soso-kevitry ny fikambanana ny fanokafana fanadihadiana ireo tompon’andraiki-panjakana ambony voafidim-bahoaka sy olom-boatendy nifandimby nitondra an’i Madagasikara nanomboka ny taona 1976 mialoha ny hirosoana amin’ny fampihavanana tena izy eto amin’ny firenena. Vahaolana maharitra kosa ny famolavolan-drafitra politika ekonomika vaovao.
Nangonin-dRamano F.
,
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.