Toekarena

Maherin’ny 4800 Ar ny 1 Euro Vahaolana akaiky ny fanjifana ny vokatra anatiny


  • Alarobia 06 Janoary 2021

Montsana indray ny isa ambony indrindra eo amin’ny fitotonganan’ny sandam-bola Malagasy.

 

 

 Nahatratra 4 813,52Ar ny sandan’ny 1Euro mitaha amin’ny vola ariary, izay tsy mitsaha-mitotongana. Manafosafo ny 3900Ar kosa ny iray dolara. Midika ho fitotonganan’ny toekarena sy ny sandam-bola Malagasy io, ary fidanganan’ny vidim-piainana io. Ny 04 novambra 2020, nilaza ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara Atoa Henri Rabarijohn fa “tsy marina ny filazana fa nidangana ny vidim-piainana satria eo amin’ny 6% eo ihany izy io”. “Ezahina ny hahavoatana an’izany hatramin’ny faran’ity taona 2020 ity”. Tsy nihetsika firy izy io, hoy izy, indrindra raha mitaha amin’ny hetsiky ny fiakatry ny vidim-piainana tamin’ny vanim-potoana toa izao tamin’ny taona 2019, izay 4, 2%. Raha mitaha amin’ny tranga misy maneran-tany dia tsy azo ambara ho nitotongana firy ny sandan’ny ariary mitaha amin’ny Euro sy ny Dolara izay nitotongana 12% sy 8, 3%. Raha raisina sy halalinina amin’ireny, dia mahita ny manam-pahefana fa maivana ny krizy, ary zakan’ny Malagasy tsara. Sarotra ny hinoana hoe hidina tampoka eo ny euro sy ny dolara, fa ny mety hahatazonana azy tsy hihoatra haingana be amin’ny efa fidangany ankehitriny no ho vitan’ny Fanjakana. Tsy dia manana vahaolana firy amin’io rahateo ny Mpitondra Malagasy, fa dia ny mody adala no paikady. Fanondranana ambany be, famokarana tsy dia misy, ao anatin’ny programa dia fananganan-javatra tsy dia antenaina hamokatra haingana no hihazakazahana. Ny indostria sy ny orinasa samihafa kofona ny ankamaroany. Vahaolana ho antsika ny famokarana sy fanjifana ary fanohanana ny vokatra ato anatiny, raha te ho tafavoaka satria io ihany no afaka hampihena ny fividianana entana avy any ivelany. Tsy ho tafavoaka rahateo ireo tantsaha sy orinasa eto an-toerana raha tsy manjifa ny zava-bitany ny mponina eto, hihatsara ho azy ny kalitaon’ny vokatra ary ho takatry ny rehetra ny sarany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT