Toekarena

Mahazoasy Freddie “Mila miainga haingana ny toekarena”


  • Alakamisy 07 Febroary 2019

Nahafahana nametraka ny fiaingana ara-toekarena iny fotoam-piasan’ny depiote tapitra tamin’ny talata 5 febroary lasa teo iny, hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Mahazoasy Freddie.

 

 

 5 taona lasa izay dia tena mbola tanatin’ny sazy i Madagasikara  ary nanamarika ny asa natao ny fiverenana tanatin’ny fianakaviana iraisam-pirenena. Anisan’ny namerina ny firenena Malagasy tamin’ny maha izy azy ny antenimieram-pirenena, hoy izy. Tokony hiainga anatin’ny fotoana fohy ny toekaren’i Madagasikara ary ho an’izay tia tanindrazana dia tsy tokony ho tafandrimandry raha mbola miaina anaty fahantrana tahaka izao ny firenena. Ny otrikaren’i Madagasikara dia efa ampy ahatongavana sahady amin’ny fampandrosoana. Olana ny tsy fisiana sy ny tsy fahampian’ny vola eto amin’ny firenena, hoy izy ka izany no tokony himatimatesana. Tsy ampy ny fampidiran-ketra ka izay no hihazakazahana amin’ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny tsy miankina. Io no hilofosana satria ny fiaraha-miasa misy fetrany hatrany ary rehefa tsy mahomby dia azo ajanona. Mbola nanamafy ny maha zava-dehibe ny tetikasa Andrakaka any Antsiranana ihany koa izy izay tena ilain’ny firenena marefo tahaka an’i Madagasikara  satria hitarika fampandrosoana makadiry.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT