Toekarena

Madagasikara-Vondrona Eoropeanina Stratejika be ny dinika politika faha-11


  • Zoma 26 Mey 2023

Hotanterahina eny amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy ny 20 jona ho avy izao ny fifampiresahana politika na « Dialogue politique » faha-11 eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina.

Sehatra lehibe miisa 3 no voalaza fa isan’ny hodinihina : ny toe-draharaha politika eto Madagasikara sy ivelany ; tombana mikasika ireo tetikasa iarahana eo anivon’ny NDICI-Global Europe miaraka amin’ny fanatsarana sy fanatanterahana ireo tetikasa ; ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny zava-misy ara-toekarena eto Madagasikara miampy ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika. Heverina fa stratejika be noho izany ity fihaonana ity, izay mialohan’ny fifidianana. Raha miverina amin’ny zava-nisy goavana tany aloha sy tato ho ato: nisongadina ny adihevitra momba ny safidin’i Madagasikara nanoloana ny adin’i Rosia sy Ukraine, izay niovaova. Henjakenjana ny fanambaran’ny Vondrona Eoropeanina tsy nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana handrara ny famoriam-bahoaka ara-politika an-kalamanjana. Nanaitra ihany koa ny nilazan’ny Ambasadaorony Rtoa Isabelle Delattre vao tsy ela, fa tsy manohitra ny hisian’ny tetezamita izy ireo raha toa ka izay no hifanarahan’ny herivelona samihafa eto amin’ny Firenena. Mbola baraingo kosa ny fanohanana ara-bolan’izy ireo ,ny fifidianana eto noho ny tsy mbola fipetrahan’ny “basket fund”, fa raha tsiahivina dia nisy ihany kosa ny tolo-kevitra nataon’izy ireo mikasika ny fifidianana taorian’ny fanaraha-maso natao tamin’ny fifidianana 2018, ka niresahany ny fanintsiana ny lalàna, ny fampiasam-bola,… Momba ny toekarena kosa, misy ilay fifanarahana ara-jono na “accord de pêche” eo amin’ny roa tonta. Ny voalohandohan’ny volana jolay izao no hanaovana sonia ny dingana farany, raha ny nambaran’ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga Atoa Mahatante Paubert ny 16 may 2023. Tafiditra amin’ny ambaratonga tsy maintsy lalovana io, raha ny nambara. Ny « Accord de pêche » amin’ny Vondrona Eoropeanina, izay efa tapaka tao anatin’ny 4 taona ary nohavaozina taty amin’ny faramparan’ny taona 2022. Raha 8 tapitrisa Euros, miampy tohana ho an’ny sehatry ny jono 750 000 Euros no tombony azon’i Madagasikara teo aloha, dia hiakatra ho 12 tapitrisa Euros mahery izany amin’ity fifanarahana vaovao ity, miampy ampaham-bola 1 100 000 Euros isan-taona ho fanohanana ny sehatry ny jono manokana, raha ny fanazavan’ny Fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT