Toekarena

Madagasikara Tsy afa-bela amin’ny fahapotehan’ny tontolo ara-toekarena


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Voalohany hatramin` ny taona 1870, firenena maro maneran-tany ny misedra

 

krizy mafy no ho ny taorian` ny Ady lehibe voalohany (1914-1918) sy Faharoa (1939-1945) araka ny tatitra nataon` ny OCDE (Organisation de cooperation et de développement économique) farany teo. Nomarihany fa misy fiantraikany goavana amin` ny toekarena ny fepetra noraisina nentina niady amin` ny valanaretina COVID-19. Nampitombo trosa ny fihibohana naharitra na aiza na aiza. Na somary maivana aza ny fihibohana ho an`ireo firenena afrikanina sasany, mafy ihany ny fiantraikany amin` ny toekarena sy ny sosialy. Tsy afa-bela tamin` izany i Madagasikara. Nitotongana -3,8% ny harinkarena tamin` iny taona 2020 iny raha noheverina ho 0,8% tamin` ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR) 2020 vokatry ny krizy ara-pahasalmana. Harin-karena izay tena ambany indrindra tsy tao anatin` ny krizy politika. Maro ireo tarehimarika no tena nitondro mena amina sehatra isan-karazany: nihena -79% ny fihariana amin` ny fizahantany noho ny sisin-tany nikatona; -53% ny fitrandrahana harena an-kibon` ny tany noho ny tsena mikatso ka porofo amin`izany ny tsy fihodinan` ny orinasa Ambatovy. Mitombo isa ny mahantra miampy 10% vaovao tafiditra anaty fahantrana lalina. Tafiakatra 77,4% izao ny mahantra raha ny tatitra avy ny Banky Iraisam-pirenena. Mahazo vahana ankehitriny ny akon’ny fahapotehan’ny tontolo ara-toekarena sy ny faharavan’ny lafiny sosialy amin’ny fiainam-bahoaka.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT