Madagasikara

Tara 100 taona amin'ny resaka fampandrosoana


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Tena mampieritreritra lalina ny tenin'ny mpitandrina tao amina fiangonana iray ny alahady lasa teo.

Tena mahagaga hoy izy fa amin'izao ambara fa andron'ny fandrosoana izao no maro indray ny olona mihemotra. Raha hitarina kely dia hoe amin'ny andron'ny fahazavana no misy miditra any amin'ny haizina indray. Raha raharaham-pirenena dia tena misy fahamarinany io satria ny olona efa tena miroso any amina zavatra raitra sy mivoatra hanatsarana hatrany ny fiainana , hanomanana ny ho avy, i Madagasikara kosa tsy mety mandroso, mitombo isa ny mahantra, lasa toa olon-dia ny olombelona sasany miverina amin'ny fanapahan-doza sy ny karazana habibiana amin'ny famonoan'olona. Ny an'ny hafa efa fiara mandeha amin'ny herinaratra na akora hafa ankoatry ny solika mandoto tontolo iainana, ny eto mbola olan'ny herinaratra isan-tokantrano amin'izao 2024 izao.Olan'ny olona tany amin'ny taonjato faha 19 sy fanombohan'ny taonjato faha 20 no mbola iainan'ny Malagasy amin'izao taonjato faha 21 izao.Tara 100 taona amin'ny fandrosoana izany i Madagasikara .Ny fampandrosoana resahana eto dia ara-toekarena, eo amin'ny lafiny maha olona, ny ara-politika, ny resaka fotodrafitrasa, ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fanabeazana sy fampianarana. Eto amin'i renivohitr'i Madagasikara dia mbola ahitana ombni -tsarety mitaona olombelona sy entana amin'izao 2024 izao. Feno posy entin-tanana sanatria mitovy amin'ny omby ny olona. Miroborobo ny karazana asa sy fitadiavam-bola tsy azo eritreretin'ny saina akory, misy tena resaka mamoafady,,,toa mifanipaka tanteraka amin'ny fahendrena malagasy noresahana hatramin'izay. Ny loto dia tena henjana, manaratsy endrika ny tanàna ary fototry ny aretin'ny fao am-pisefoana ay aretin-koditra. Tsy nisy ady an-trano na loza voajanahary giavambe anefa teto fa olana politika, nitarika krizy ara-tsosialy miaraka amin'ny tsy fahaiza-mitantana manara-penitra. Sady efa tsy mamokatra ilay firenena no mbola be sitrapo amin'ny rendrarendra ny mpitondra, manao vavabe amin'ny mpiara-miombon'antoka, ary ny tena henjana dia maro ireo tompon'andraikitra ambony na manampahefana efa tsy menatra intsony mihitsy mitaky vola ho takalon'ny sonia na fanomezan-dalana hanangana orinasa eto.Tena efa ataon'ny vahiny resaka fotsiny. Tsy misy fampandrosoana azo antenaina raha tsy miala amin'ny fomba fanao ratsy taloha ary miditra amina fiovam-penitra mahery vaika. Tsy mbola nisy firenena nivoatra sy nandroso tamin'ny resaka fahalovana sy kolikoly izany.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT