Toekarena

Madagasikara Tandinodin-doza ny fandraharahana sy fampiasam-bola


  • Talata 24 Aogositra 2021

Vaovao isan’ny nanamarika ny andron’ny omaly alatsinainy 23 aogositra ny hisintahan’ny orinasa Shoprite amin’ny fandraharahana eto Madagasikara,

 19 taona taorian’ny nahatonngavany teto Madagasikara satria ny 2002 no nanomboka nandraharaha teto, manana mangazay lehibe miisa 10, mahatratra 141 000 ny olona miasa ao anatin’ny Shoprite amin’ireo mangazainy 3000 teo aty Afrika. Tsy eto Madagasikara ihany fa firenena Afrikanina vitsivitsy toa an’i Nigéria sy Kenya no efa nialan’ny Shoprite nanomboka ny volana jona teo, ary hangoron’entana any Ouganda ihany koa. Teto Madagasikara, isan’ny lasibatry ny fandrobana tamin’ny 2009 ny Shoprite. Na izany aza, ho antsika eto Madagasikara, dia loza mihatra ho an’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola izao. Vao ny herinandro lasa teo ireo vondron’ny orinasa tsy miankina toy ny Conféderation du Tourisme, GEM, FIVMPAMA, SIM,… no nandefa taratasy tamin’ny Filoham-pirenena ny mba hanaovana dinika sy ny mba hamoahana drafitra mazava hivoahana amin’ny krizy. Asa mivantana 500 000 eto Madagasikara no miankina amin’ireo, ary ny 60% amin’ny harin-karena faobe (PIB) eto Madagasikara. Naneho fa tsy fahatarafana paikady mihitsy paikady mazava mba hivoahana amin’ny krizy, izay tena mamotika tanteraka ny toekaena ary miantraika betsaka amin’ny tontolon’ny asa. Na eo aza ny ezaka ataon’ny samy orinasa dia eo ihany koa ny tsy mba fisian’ny fanohanana na « subventions » toy ny any amin’ny firenen-kafa, nitotongana hatrany amin’ny 44% ny asa sy ny vola niditra tamin’ny tsy miankina tamin’ny ankampobeny mitaha ny tamin’ny 2019, ary tafiakatra hatrany amin’ny 90% ho an’ny indostria momba ny « dia » na « voyage ». Ny 80% dia potika sy nihanarefo hatrany ny tontolon’ny fandraharahany ny 2019-2020. Latsaky ny 50% no mety manana fanantenana amin’ny 2021 ary 60% mbola tsy manana fanantenana firy…
TSY TAMANA
Efa loza mihatra ny mahazo ny fandraharaha eto Madagasikara. Ny orinasa hakatona sy henjehina rehefa tsy iray antoko na tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ny tompony, toy ny Tiko sy Magro. Ireny dia efa tsy mampazoto ny olona. Ny orinasa goavana amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ireny nanaovan’i Andry Rajoelina vava be fa efa 20 taona teto tsy hita izay vokany, tsy miraraha izay famoron’asa an’aliny entin’ireny sy ny hetra entiny izay ambony indrindra amin’ny fampidiram-bola vahiny eto ny Fitondrana. Marina fa misy ny dinika iarahana amin’ny MEDEF na Vondron’ny mpandraharaha miteny Frantsay manomboka anio any Paris, saingy tena afaka handresy lahatra sy tsara toerana ve i Andry Rajoelina? Efa teto ny MEDEF ny aogositra 2019 fa moa tena narisika sy namitombo ny fampiasam-bolany teto ? Faha-161 amin’ny firenena 190 maneran-maneran-tany i Madagasikara ho an’ny fahazotoan’ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha na ny “doing business” ho an’ny taona 2020 noho ny kolikoly, fitantanana tsy mangarahara, tsy fitoniana politika, ary io mbola miharihary io ny olana. Ny eto rahonana, misy mangoron-damba, maro no mitsipozipozy,… fa tsy manana paikady mazava hanarenana izany ny Fanjakana Rajoelina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT