Toekarena

Madagasikara sy Royaume-Uni Nosoniavina ny fiaraha-miasa lehibe ara-toekarena


  • Zoma 05 Novambra 2021

Fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piarahamiasa ara-ekonomika eo amin'ny Governemantan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy i "Royaume-Uni" ary Irlande avaratra.

 Notaterahina omaly 04 novarmbra ny lanonana fanaovan-tsonia ny Fifanaraham-piarahamiasa ara-ekonomika eo amin'ny Fitondrana malagasy sy ny "Royaume-Uni" ary Irlande Avaratra. Nisolotena ny fitondrana malagasy ny Ministry ny Raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina, ary Atoa David William Ashley, Masoivohon'ny "Grande Bretagne" eto Madagasikara no nisolotena ny "Royaume-Uni" sy Irlande avaratra. Nanotrona ny lanonana tamin'ny alalan’ny fomba fampitan-davitra Rtoa Penny Mordaunt, Ministry ny Varotra any "Royaume-Uni". Tafiditra ao anatin'ny fifanarahana ara-ekonomika izay misy eo amin'ny "Royaume-uni" sy ireo firenena mivondrona ao anatin'ny AfOA (Afrique Orientale et Australe), isan'izany i Madagasikara. Ny fifanaraham-piarahamiasa dia mahakasika sehatra telo, anisan'izany ny fahafahana miditra antin'ny tsenam-barotra samihafa, ny seha-pamokarana mahakasika ny jono, ny fiaraha-miasa hoamin'ny fampandrosoana; tafitra anatin'izany ny sehatra tsy mpiankina, ny fotodrafitr'asa, ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana. Manamarika ny fiaraha-miasa maripototra eo amin'ny Fitondrana malagasy sy ny Royaume-Uni io fiaraha-miasa io, hoy ny fanamafisana. Ara-tantara, ny 14 janoary 1817 mantsy no nosoniavina ny taratasy voalohany manamarika ny fiaraha-miasa teo amin'i Madagasikara sy firenena Anglisy. Ny "Royaume-Uni" etsy andaniny dia nanamafy ny hisian'ny fitohizan'ny fiaraha-miasa amin'ireo firenena mivondrona ao anatin'ny AfOA na dia efa nisintaka tsy ho ao anatin'ny Vondrona eoropeana aza izy ireo. Madagasikara, ny nosy Maorisy, ny nosy Seychelles, Zimbabwe, Zambie ary ny nosy Comores no mivondrona ao anatin'ny AfOA.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT