Toekarena

Madagasikara sy Inde Hanamafy fiaraha-miasa amina sehatra maro


  • Talata 30 Jolay 2019

Manantena ny hitazona sy hanamafy orina bebe kokoa ny fiaraha-miasa efa misy eo amin’i Inde sy i Madagasikara, ny Ambasadaoro vaovaon’ny Repoblikan’i Inde, miasa sy monina eto amintsika, Andriamatoa KUMAR Abhay,

 araka ny nambarany, raha  nihaona voalohany tamin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, izy omaly tolakandro teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo. Noresahina nandritra ny fihaonana ny  fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fambolena, ny fahasalamana, ny tontolo iainana ary  ny lafiny fiarovana. Niarahaba sy nirary soa ny praiminisitra ity diplomaty Indianina ity, mba hahavita be hatrany amin’ny asa iandraiketany, amin’izao naha voatendry azy indray hitantana ny governemanta izao. Nahafapo ny dinika, hoy ny Ambasadaoro, izay nampahatsiahy koa fa nanamafy orina ny fifandraisan’i Madagasikara sy Inde ny nahatongavan’ny filoham-pirenena Indianina teto amintsika tamin’ny taon-dasa.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT