Toekarena

Madagasikara Songonan’ireo firenena Afrikanina hatrany


  • Sabotsy 28 Aprily 2018

Raha aty Afrika no jerena dia anisan’ny firenena tena mbola milamina i Madagasikara na dia mandalo krizy matetika aza. Saika nisy hatrany ny ra latsaka tamin’ireny tolom-bahoaka niseho rehetra ireny.

  Na dia izany aza dia tsy azo oharina akory amin’ireo firenena niezaka nitady fanovana izay tena nahitana korontana sy olona maty maro be. Raha tsy hiteny fotsiny ny tranga tany Afrika Atsimo tamin’ny adin’ny mpanohana sy ny mpanohitra ny apartheid tao anelanelan’ny taona 1990 sy 1994 izay nahafatesana olona 14 000. Teo ihany koa, ohatra, ny ady nisy tany Repoblika Demokratikan’i Congo sy Rwanda ireny, izay nahafatesana olona efa ho 1 tapitrisa mahery. Ny mahagaga anefa dia nosongonan’ireny firenena ireny hatrany ny Malagasy. Efa mahatratra hatrany amin’ny 294.8 miliara dolara ny harinkarena faoben’i Afrika Atsimo tamin’ny taona 2016, 35 miliara dolara ny an’i Congo. Ny an’i Madagasikara anefa tsy nahatratra 10 miliara dolara akory tamin’io taona io. Taraiky tanteraka ny Malagasy amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Variana amin’ny resaka politika kanefa tsy misy vokatra mivaingana fa mainka fampahantrana ny vahoaka no misy. Ary raha tsy miova sy manova famindra haingana dia ahiana tanteraka ny fitazonan’i Madagasikara ny rambony amin’ny filaharana maneran-tany.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT