Raha ny taona 2008 no tsara indrindra ny tarehimarika tamin’ireo mpizahatany nitsidika an’i Madagasikara,
izay nahatratra 375 000, dia voasongona tamin’ny taona 2019 lasa teo satria efa tafakatra 378 000 araka ny tatitry ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro, Joel Randriamandranto tetsy Anosy. Maro, hoy izy ny antony nahatongavana tamin’izany ary tsy maintsy tohizana ny ezaka rehetra toy ny ezaka fanohanana tsy tapaka nataon’ny minisitera tamin’ireo mpandraharaha. Izay nanana hetsika rehetra tany amin’ny faritra mantsy, ka mahakasika ny fizahantany, dia nampiana avokoa. Teo ihany koa ny fanohanana ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany eto Madagasikara izay nanokanana tetibola manokana mihitsy ny amin’ny ezaka fampahafantarana ny firenena Malagasy nataony any ivelany. Nanampy tamin’ny fanatsarana ny tarehimarika ihany koa ny fametrahana ny sehatra fizahantany ho laharam-pahamehana ary natao maro ny tolotra fa tsy najanona fotsiny tamin’ny resaka zava-boahary. Anisan’izany, ohatra, ny nisian’ny hetsika fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ny taranja Golf izay haharitra 3 taona eto Madagasikara ka amin’ny taona 2021 vao hifarana. Amin’izao fotoana izao aza dia efa misy sahady mpikarakara fifaninanana amin’io taranja io ihany, mangataka ny hanaovana azy eto amin’ny firenena, hoy ny minisitra. Mbola mainka hanatsara ny sehatra fizahantany ihany koa ny nanamboarana lalana fanaovana randonnée 180Km izay efa eo an-dalam-pamaranana sy ny fitiliana tsena vaovao amin’ny Salon ITM andiany fahasivy hotanterahina ny volana jona ho avy izao. Eo ihany koa ny nanokafana ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka vaovao GS Airlines Tana-Fianarantsoa-Mananjary-Tana izay efa hita sahady ny akony. Hitondra mankany amin’ny fahatokisan’ireo mpandraharaha an’I Madagasikara ireny ary nilaza ny minisitra fa ity taona 2020 ity dia hanombohana ireo fotodrafitrasa maro hanatrarana ny tanjona amin’ny taona 2023.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.