Toekarena

Madagasikara Mitoetra ambony harena


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Tsy zava-baovao no maheno fa manan-karena i Madagasikara. Andramena, volamena, lavanila, vato soa, harena an-kibon` ny tany maro samihafa.

 

 

 

Eo ihany koa ireo zava-maniry na koa biby. Tsy tambo isaina ireo harenan-dranomasina. Mbola i Madagasikara no ahitana ny akora sy ny fahaizana mamapiasa azy ireo ho fanafody fanefitra amin` ny “coronavirus”. Ny tambavy Covid Organics dia fanafody manandratra ny fahaizan’ny mpikaroka Malagasy. Ampy ve izany mba hisandratan` ny Malagasy rehetra? Mila mamolavola paikady fanarenana ny toekarena aorian` ny aretina ny fitondram-panjakana. Rah any zava-misy hatreto dia tsy miantraika mivantana amin` ny vahoaka ny tetikasam-panjakana nahazoana famatsaim-bola. Izany hoe tokony ireo sehatra fototra sy faharoa no tena hitadiavana famatsiam-bola. Tsara ny fanamboarana foto-drafitrasa ary ilaina izany saingy ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana no mbola laharam-pahamena. Rehefa betsaka ny orinasa mpanodina akora fototra eo amin`ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny jono, ny harena an-kibon` ny tany… dia teraka ny famoronan` asa ary miditra ny vola vahiny amin`ny fanondranana ireo vokatra voahodina. Ny zava-misy amin` izao anefa dia tototry ny trosa ny fitondram-panjakana satria tsy misy ny vola hamerenana ny vola nindramina noho ny fidiran` ny entana avy any ivelany izay tsy mandoa hetra ka tsy mampidi-bola. Mahatonga izany ny tsy fanodinana vokatra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT