1% mahery ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara, araka ny voalazan’ny antontanisan’ny BIT (Bureau International du Travail) ny taona 2015.
Manjaka anefa ireo asa tsizarizary ka anisan’ireo tany manana salan’isa ambony indrindra amin’izany ny firenena Malagasy. Miasa ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna, izany hoe tsy misy antoka na fifanarahana marim-pototra ny ankamaroan’ny Malagasy. Tena fahita matetika eo anivon’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ankehitriny ny fampiasana olona tsy mifanaraka akory amin’ny fahaiza-manaony. Voakasik’io zava-misy io avokoa moa ny 85%-n’ny fiarahamonina Malagasy amin’ny ankapobeny. Lohalaharana amin’ny fanatontosana asa an-tselika eto amintsika hatreto ny vehivavy Malagasy (58%). Manao asa tsizarizary ihany koa anefa ny 15%-n’ny tanora 19 hatramin’ny 24 taona. Seho iray hafa manampy ireo ny fijaliana amin’ny fitadiavana asa ho an’ireo sokajin’olona 25 hatramin’ny 30 taona mahavita fianarana ambony izay mandrafitra ny 2,1%-n’ny mponina. Tranga mampalahelo kosa ny 25%-n’ny ankizy 5 hatramin’ny 17 taona miasa noho ny fahantrana lalim-paka eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.