Toekarena

Madagasikara Miadana ny fiaingana amin’ny fizahantany


  • Zoma 27 Mey 2022

Miadana ny fiaingana amin’ny resaka fizahantany eto Madagasikara izao, hoy ny manam-pahaizana momba azy io, Durlin Retogniane.

Tsy misy politika mazava apetraky ny minisitera momba izany, hoy izy. Na fizahantany anatiny, izany hoe ny fampandehanana ireo mpizahantany malagasy izay efa ambany rahateo ny fahefa-mividiny, na ny fisarihana ireo mpizahantany avy any ivelany ho eto Madagasikara. Mikasika ny filazana fa efa tafaverina eto ny 50%n’ireo mpizahantany dia mampametra-panontaniana ihany. 50%n’ilay tarehimarika talohan’ny Covid 19 ve ireo na ilay 350.000 isa? Sa amin’ilay vinavinan’ny fitondram-panjakana hoe 500.000 isa mandra-pahatonga ny 2023? Raha ny hita aloha dia mbola kely ireo mpizahantany tonga mitsidika an’I Madagasikara satria mbola vitsy ireo fiserana dia na “agence de voyage” voakasik’izany. Hita taratra amin’ny fivezivezen’ireo fiara fitaterahana mpizahantany ofaina eny amin’ny lalam-pirenena samihafa izany. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny mampifandray iny lalam-pirenena fahafito na RN 7 miala eto Antananarivo ho any Toliara iny isika, ohatra. Mba firy koa, ohatra, ireo fampanofana fiara na “agence de location de voiture” mivezivezy amin’iny “Allée des Baobab” mankany Morondava iny? Na ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina eo amin’ny RN 2 na ny RN 4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga satria lalam-pizahantany na “axe touristique” daholo izany, hoy hatrany ny tenany? Mila mahafantatra ny vokatra mampiavaka antsika isika ahafantarana ireo firenena vahiny tokony hiara-kiasa amintsika izao, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT