MADAGASIKARA

Mbola tsy afa-bela amin’ireo mpamatsy vola tandrefana


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Eto Madagasikara amin’izao fotoana ny iraka manokana avy amin’ny

Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI. Ny talata lasa teo dia nihaona tamin’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo sy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy Max Fontaine izy ireo.Dinika savaranon’ando momba ny fiaraha-miasa efa nisy sy ny ho avy eo amin’i Madagasikara sy ny FMI no anton’ny fihaonana, i Fréderic Lambert, izay efa mpivezivezy aty Madagasikara smoa no mitarika ny delegasionina. Mbola hifandimby hihaona am’ireto iraka manokan’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena ireto ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Ry zareo avy eo amin’ny FMI moa no azo ambara hoe fanalahidin’ny famatsiana sy fanampiana ara-bola, ka rehefa mety ny resaka sy fifampidinihina amin’izy ireo dia tokony tsy misy olana ny fifampiresahana amina fikambanana iraisam-pirenena na firenena hafa miara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Saingy mametraka karazana fepetra maro ny FMI sy ny banky iraisam-pirenena mialohan’ny hanomezany fanampiana, tahaka ny hoe manao ahoana ny fomba fitantanana, ny mangaraharaha, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanajana ny demokrasia. Sehatra izay tsy dia hananan’i Madagasikara naoty tsara loatra, ka izay no mahatonga ny hoe potipotina fanampiana ara-bola no azo fa tsy mety mahazo vola be ahafahana manao ireo tena asa fampandrosoana. Tohana ara-bola mba tsy hampisambadidaka ny tetibolam-panjakana no omen’ny FMI raha ny tena marina . Tsapa amin’izao zava-misy izao ihany koa fa tena mbola tsy afa-bela amin’ireo mpamatsy vola mahazatra tandrefana i Madagasikara ; tsy arak’ilay vava be nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny propagandy 2018 nanao hoe : fa raha ireo mpamatsy vola mahazatra ireo no andrasantsika eto dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara na 20, na 30 eny fa na ao anatin’ny 60 taona aza. Koa asa re !
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT